Matthew 27

1Ary rehefa tonga ny maraina, dia nitetika hanohitra an’i Jesosy mba hamono Azy ireo lehiben’ny mpisorona sy ny loholona rehetra. 2Izy ireo namatotra Azy, nitarika Azy tany ivelany, ary nanolotra Azy tamin’i Pilato governora.

3Ary Jodasy, ilay namadika Azy, rehefa nahita fa voaheloka Jesosy, dia nibebaka izy ary namerina ireo volafotsy telopolo tamin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ireo loholona, 4ary niteny hoe: “Nanota aho tamin’ny namadihako rà tsy manan-tsiny.” Fa izy ireo niteny hoe: “Ahoanay inona? Anao izany.” 5Dia natsipiny tao an-tempoly ireo volafotsy, ary nanainga, sy nivoaka ary nanantona ny tenany Izy.

6Ireo lehiben’ny mpisorona naka ireo volafotsy ary niteny hoe: “Tsy ara-dalàna ny mametraka ity ao amin’ny fitehirizam-bola, satria ity dia vidin-drà.” 7Niara-niresaka ny olana izy ireo ary nividy ny sahan’ny mpanao vilany tanimanga izay handevenana ireo vahiny tamin’ireo vola. 8Ary izany no antony niantsoana izany saha izany hoe: “Sahan’ny Rà” mandrak’androany.

9Ary dia tanteraka izay voalaza tamin’ny mpaminany Jeremia, manao hoe: “Naka ny volafotsy telopolo izy ireo, vidy nanombanan’ireo vahoakan’Israely Azy, 10ary izy ireo nanome izany ho an’ny sahan’ny mpanao vilany tanimanga, araka ny natoron’ny Tompo ahy.”

11Ary Jesosy nijoro teo anolohan’ny governora, ary ny governora nanontany Azy hoe, “Ianao va no mpanjakan’ireo Jiosy?” Jesosy namaly azy hoe: “Voalazanao.” 12Fa rehefa nampangain’ireo lehiben’ny mpisorona sy ireo loholona Izy, dia tsy namaly na inona na inona. 13Dia niteny taminy Pilato hoe: “Tsy renao va ny fiampangana rehetra atao aminao?” 14Fa tsy namaly na dia teny iray aza Izy, gaga tanteraka noho izany ny governora.

15Ary isakin’ny firavoravoana dia fomban’ny governora ny mamotsotra gadra iray voafidin’ny vahoaka. 16Tamin’io fotoana io, nanana gadra malaza ratsy antsoina hoe Barabasy izy ireo.

17Noho izany rehefa niara-niangona izy ireo, dia hoy Pilato tamin’izy ireo hoe: “Iza no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy izay antsoina hoe Kristy?” 18Fantany fa nohon’ny fialonana no nanoloran’izy ireo an’i Jesosy taminy. 19Raha nipetraka teo amin’ny seza fitsarana izy, dia nandefa teny taminy ny vadiny ary nanao hoe: “Tsy manana na inona na inona atao amin’ity lehilahy tsy manan-tsiny ity aho. Fa ory loatra aho androany nohon’ny nofy azoko momba Azy.”

20Ary ireo lehiben’ny mpisorona sy ireo loholona nandresy lahatra ny vahoaka mba hangataka an’i Barabasy, ary hampamono an’i Jesosy. 21Nanontany azy ireo ny Governora hoe: “Iza amin’izy roa no tianareo halefako ho anareo?” Hoy izy ireo hoe: “Barabasy.” 22Pilato niteny tamin’izy ireo hoe: “Inona no tokony ataoko amin’i Jesosy izay antsoina hoe Kristy?” Izy rehetra namaly hoe: “Fantsiho amin’ny hazofijaliana Izy.‘’

23Dia hoy Izy hoe: “Nahoana, inona no heloka nataony?” Fa vao mainka izy ireo nihiaka mafy hoe: “Fantsiho amin’ny hazofijaliana Izy.” 24Fa rehefa hitan’i Pilato fa tsy afaka hanao na inona na inona izy, kanefa efa nanomboka ny tabataba, dia naka rano izy, nanasa ny tanany teo anoloan’ny vahoaka, ary nanao hoe: “Tsy manan-tsiny amin’ny ràn’ity lehilahy tsy manan-tsiny ity aho. Fa asanareo izany.”

25Ireo olona rehetra niteny hoe: “Ho aminay sy ny zanakay anie ny ràny.” 26Dia nalefany ho an’izy ireo Barabasy, fa nively karavasy an’i Jesosy izy ary nanolotra Azy ho fantsihina.

27Avy eo ireo miaramilan’ny governora naka an’i Jesosy hankao an-dapa ary nanangona ireo vondrona miaramila rehetra. 28Nanala ny fitafiany izy ireo ary nampanao akanjo jaky Azy. 29Nanamboatra satro-boninahitra tsilo izy ireo ary nametraka izany teo an-dohany, ary nametraka tehina teo amin’ny tanany ankavanana. Nandohalika teo anatrehany izy ireo ary naneso Azy, nanao hoe: “Arahaba, ry mpanjakan’ny Jiosy!”

30Nororain’izy ireo Izy, ary nalain’izy ireo ny tehina dia nikapoka Azy im-be dia be teo amin’ny lohany. 31Rehefa avy naneso Azy izy ireo, dia nanala ny akanjo lavany ary nampitafy Azy ny fitafiany, ary nitondra Azy nivoaka mba hamantsika Azy amin’ny hazofijaliana.

32Rehefa nivoaka izy ireo, dia nahita lehilahy iray avy any Syrena antsoina hoe Simona, izay noteren’izy ireo hiaraka amin’izy ireo mba hampilanjaina ny hazofijaliany. 33Nankany amin’ny toerana antsoina hoe Golgota izy ireo, izay midika hoe “Toeran’ny Karandoha.” 34Nomen’izy ireo divay mifangaro amin’ny afero Izy mba ho sotroina. Fa rehefa nandramany izany, dia tsy nisotro Izy.

35Rehefa nofantsihin’izy ireo tamin’ny hazofijaliana Izy, dia nataon’izy ireo loka ny fizarana ireo fitafiany, 36ka nipetraka izy ireo ary nijanona niambina Azy. 37Teo ambonin’ny lohany no nametrahan’izy ireo soratra milaza ny nanamelohana Azy, izay mivaky hoe: “Ity no Jesosy, mpanjakan’ireo Jiosy.”

38Nisy jiolahy roa nofantsihina niaraka taminy, ny iray teo ankavanany ary iray teo ankavia. 39Ireo izay nandalo dia nanevateva Azy, nanivingivina ny lohan’izy ireo 40ary nanao hoe: “Ianao izay handrava ny tempoly ary hanamboatra izany indray ao anatin’ny telo andro, vonjeo ny tenanao! Raha Ianao no Zanak’Andriamanitra, midinà avy eny amin’ny hazofijaliana!”

41Toy izany koa ireo lehiben’ny mpisorona naneso Azy, niaraka tamin’ireo mpanora-dalàna sy ireo loholona, ary niteny hoe: 42“Nanavotra ireo hafa Izy, fa tsy afaka manavotra ny tenany. Izy no mpanjakan’Israely. Avelao Izy hidina eny amin’ny hazofijaliana, ary dia hino Azy isika.

43Natoky an’Andriamanitra Izy, avelao Andriamanitra hamonjy Azy izao, raha mankasitraka ny hanafaka Azy Andriamanitra. Fa na Izy aza dia niteny hoe: ‘Izaho no Zanak‘Andriamanitra.’” 44Toy izany koa ireo jiolahy izay nofantsihina niaraka taminy niteny fanevatevana taminy ihany koa.

45Ary nanomboka tamin’ny ora fahaenina dia nandrakotra ny tany rehetra ny aizina ka hatramin’ny ora fahasivy. 46Teo amin’ny ora fahasivy, dia nihiaka tamin’ny feo mafy Jesosy ary nanao hoe: “Ely, Ely, lamà sabaktani?” Izay midika hoe: “Andriamanitro, Andriamanitro, nahoana no nandao Ahy Ianao?” 47Rehefa ren’ny sasany tamin’ireo izay nitsangana teo izany, dia hoy izy ireo: “Miantso an’i Elia Izy.”

48Teo no eo dia nihazakazaka ny iray tamin’izy ireo ary naka spaonjy, namonto izany tamin’ny vinaingitra, nametraka izany tamin’ny tohitohina bararata, ary nanome izany Azy mba ho sotroina. 49Ny sasany tamin’izy ireo niteny hoe: “Avelao Izy. Hitantsika eo raha ho tonga hamonjy Azy Elia.” 50Dia nihiaka tamin’ny feo mafy indray Jesosy ary nanolotra ny fanahiny.

51Indro, ny lamban’ny tempoly nitriatra roa hatrany ambony ka hatrany ambany, ary nihorohoro ny tany, ary vaky nisasaka ireo vatolampy. 52Nisokatra ireo fasana, ary ny fatin’ireo olon’Andriamanitra maro izay nodimandry dia natsangana. 53Izy ireo dia nivoaka avy tao amin’ny fasana taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty, niditra ny tanàna masina, ary niseho tamin’ny maro.

54Ary ireo kapiteny sy ireo izay nijery an’i Jesosy rehefa nahita ny horohoron-tany sy ireo zavatra izay nitranga, dia lasa natahotra mafy ary nanao hoe: “Zanak’Andriamanitra marina ity.” 55Nisy Vehivavy maro izay nanaraka an’i Jesosy hatrany Galilia mba hikarakara Azy teo nijery avy eny alavitra. 56Tamin’izy ireo Maria Magdalena, Maria renin’i Jakoba sy Josefa, ary ny renin’ireo zanakalahin’i Zebedio.

57Rehefa hariva ny andro, dia nisy lehilahy iray manan-karena avy any Armatia tonga, antsoina hoe Josefa, izay mpianatr’i Jesosy ihany koa. 58Nanatona an’i Pilato izy ary nangataka ny fatin’i Jesosy. Dia nobaikon’i Pilato omena azy izany.

59Naka ny faty Josefa, namono izany tamin’ny lamba rongony madio, 60ary nampandry izany tamin’ny fasany vaovao izay nolavahany tamin’ny vatolampy. Dia nanakodia vato lehibe hanohina ny varavaran’ny fasana izy ary nivoaka. 61Maria Magdalena sy ireo Maria hafa dia teo, nipetraka teo ampitan’ny fasana.

62Ny andro manaraka, izay andro aorian’ny Fanomanana, dia niara-niangona tamin’i Pilato ireo lehiben’ny mpisorona sy ireo Fariseo. 63Hoy izy ireo hoe: “Tompoko, tadidinay fa tamin’ny mbola velona iny mpamitaka iny, dia hoy Izy hoe: ‘Aorian’ny telo andro, dia hitsangana indray Aho.’ 64Ka noho izany, mandidia mba ho ambenana ny fasana hatramin’ny andro fahatelo, raha tsy izany ireo mpianany mety ho avy ary hangalatra Azy dia hiteny amin’ny olona hoe: ‘Nitsangana tamin’ny maty Izy’, ary ny fitaka farany dia ho ratsy noho ilay tamin’ny voalohany.”

65Hoy Pilato tamin’izy ireo hoe: “Makà mpiambina. Mandehana ary ambeno tsara araka izay vitanareo izany.” Dia nandeha izy ireo ary niambina ny fasana, nanisy tombo-kase ny vato ary nametraka ny mpiambina.

66

Copyright information for PltULB